TOE-KARENA MALAGASY : Miha marefo hatrany

Tsy mitatao intsony fa efa mihatra tanteraka amin’i Gasikara ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro noho ny fanimbana tsy ampiheverana ny tontolo iainana ataon-dRaolombelona. Singanina amin’ireny ny fandoroana tanety, fandripahana ny ala,…

Vao tsy ela akory ny faritra maro manerana ny Nosy no niharan’ny orambe vokatry ny fisian’ny andro ratsy. Niteraka fahasimban’ny voly vary sy toeram-ponenana maro ary nipaka hatrany amin’ny sehatry ny fiompiana mihitsy aza izany.

Voka-bary 17 000 hatramin’ny 20 000 taonina, ohatra no hafoy ho an’i Marovoay vokatry ny tondra-drano. Tanimbary manana velarana  5 500 hektara no dibo-drano any an-toerana . Ratsy lavitra noho io anefa ny zavamisy any Alaotra izay sompitra voalohany amin’ny asa fambolem-bary. Raha ny fantatra,  an’aliny hekatra ihany koa ny velaran’ny tanimbary rakotry ny rano be any an-toerana.

Hanahirana

Tsy isalasalana, araka izany, fa hiteraka fikorontanana toy ny tsy fahampiana ara-bary ho an’ny Malagasy ny fahapotehan’ny fambolena raha tsy iresaka afa tsy io sehatr’asa anisan’ny iankinan’ny toe-karena io isika. Ekena fa tsy mahasehaka ny filana eto an-toerana ny vary vokarin’ny Malagasy ka tsy maintsy hisy ny fanafarana izany any ivelany. Hiavaka amin’ny fitomboan’ny tahan’ny fanafarana vary, araka izany, ity taona ity noho ny fahapotehan’ny voly. Ireo mpikirakira ny lafiny fambolena sy ny antontanisa manodidina izany dia manombana fa hihoatra lavitra ny 200 000 taonina ny taham-panafarana vary tsy maintsy hataon’I Madagasikara hamenoana ny banga vokatry ny faharatsian’ny vokatra. Ny sandan’ny ariary vola malagasy anefa tsy mitsaha-mijotso izay tsy isalasalana fa hiteraka fahalafosam-bidin’ireo entana hafarana avy any Dilambato, toy ny vary, solika sy ireo kojakoja fampiasa andavanandro.

Mitaky fepetra haingana

Manoloana izany, ahiana mafy ny hisian’ny mosary sy ny hanohanana faobe eto Gasikara. Iaraha-manaiky rahateo fa iva dia iva ny fahefa-mividin-dRamalagasy ary tsy hita noanoa ny elanelana eo amin’ny mpanefoefo sy ireo farahidiny eto an-tanàna. Fepetra tokony ho raisin’ny fitondram-panajakana, araka izany, ny tsy fakana haban-tseranana amin’ny sehatry ny fanafarana ny vary. Tsy ho mandavan-taona anefa no hanaovana izany fa anatin’ny fotoana voafetra ihany ahafahana misoroka izay mety ho endrim-panarararaotana hafa indray.

Variana ?

Manoloana ireo olana vokatry ny fahasimban’ny asa fambolena sy fiharian’ny mponina ireo dia mbola variana sy sondriana amin’ny fananganana fotodrafitrasa azo sokajiana ho haitraitra enti-manaitra ny maso fotsiny ihany ho an’ny Malagasy Rafanjakana. Tsy hitsahatra hatreo izany raha ny fanovana governemanta farany teo no tarafina. Nisy ny fananganana Minisitera vaovao manokana sy mahaleo tena mihitsy hiahy ny fanorenana tanàna vaovao. Tsy ratsy akory izany fa mba aiza ho aiza kosa àry ny fiahiana ireo tantsaha Malagasy mizaka saika isan-taona sy mandritra ny fotoam-pahavaratra ny setrasetran’ny loza voajanahary (rivodoza, haintany, safo-drano…. ) izay samy miteraka fahapotehan’ny asa fiharian’izy ireo avokoa. Nofinofin’izy ireo ny hisian’ny Minisitera manokana hiahy ny vokatry ny loza voajanahary eo amin’ny asa fambolena sy fiompiana ahafahana mahatratra ilay fahavitan-tena ara-tsakafo sy ho fampiakarana ny harin-karena faobe eto amintsika. Ho nofy ihany anefa izany raha mbola atao anjorom-bala sy zara raha misy mpiahy sy mpijery manokana ireo kitro anisan’ny hifaharan’ny toe-karena malagasy dia ireo mpamboly sy mpiompy izany. Ireto farany izay mizaka samy irery ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro aloha hatreto . Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra Rafanja a !!!!

Vous aimerez aussi