Tsy voafehy ny fitotonganan’ny Ariary mitaha amin’ireo vola vahiny ifanakalozana tahaka ny Euros sy Dolara amin’izao fotoana izao. Tsy mety mahazo aina mihitsy ny Ariary indrindra tamin’ity volana ity ary nisy fotoana efa tafakatra hatrany amin’ny 4300 Ariary ny vidin’ny Euros iray. Raha ny toe-java-misy eto amin’ny firenena aloha dia hita fa mbola manano sarotra ny fifehezana ny fitotonganan’ny ariary. Mbola tsy miverina amin’ny laoniny mihitsy mantsy ny fanondranana izay mampiditra vola vahiny hahamarin-toerana kokoa ny Ariary. Etsy andaniny anefa dia mirona be amin’ny fajifana ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao ary tsy misy firy mihitsy ny famokarana sy ny fandraharahana eto an-toerana. Rehefa tsy misy ny famokarana anefa dia tsy misy ny fanondranana kanefa ny fanafarana kosa dia mandeha ihany eny an-tsefatsefany eny. Amin’izao fotoana izao dia misy foana ohatra ny fanafarana vary sy ny entana ilaina an-davanandro araka ny fanazavan’ny ministeran’ny varotra. Ho loza tanteraka ho an’ny toekarena raha mitohy ny zava-misy satria ny fitotonganan’ny ariary dia manimba ny fahefa-mividy izay efa tena ambany be raha ny eto Madagasikara. Mila fandraisana andraikitra haingana be ary takiana ny fahaiza-manaon’ireo anatin’ny fitondrana mba tsy hidaraboka ny toekarena satria tena hanahirana be ny fanarenana atsy ho atsy.
