Nikoropaka ny vahoaka Malagasy, taorian’ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena ny zomà halina teo, fa efa tonga eto amintsika ilay valan’aretina Coronavirus ary olona 3 no voamarina fa mitondra izany, izay avy any ivelany. Taorian’izay, dia nilomay ny vahaoaka Malagasy, ka nilahatra fanafody teny amin’ny farmasia, ny alin’ny zomà teo ihany, ary nitohy ny sabotsy maraina izay filarahana sy fitadiavana fanafody hanoherana ity valan’aretina ity. Nilaharana ankoatra izay koa ny lasantsy teny amin’ny toby mpaninjara an’izany. Efa nilaza ny fitondram-panjakana, fa ampy mandrity ny 6 volana ny tahirin-tsolika, ny vary, ny PPN, ny fanafody, sns…
Nangataka kosa ny fanjakana, fa aoka tsy hanararaotra hampiakatra ny vidin’ny PPN ireo mpivarotra ary toa izay koa ireo toeram-pivarotam-panafody (ndlr : farmasia). Efa nilaza ny fanjakana, taorian’ny filankevitry ny ministra manokana, fa mijanona ho 1800 ariary ny kilaon’ny vary. Nisy tamin’ireo mpambongady sy mpaninjara no nakatona noho izay fampiakarana ny vidin’ny vary izay. Hidina amin’ireo toeram-pivarotana fanafody sy grosista ireny ny fanjakana amin’izao fahatongavan’ilay Coronavirus eto amintsika izao. Ny fanjakana no miaro ny vahoaka ary nanome toky fa maimaim-poana koa ny fitsaboana ho an’ireo olona izay ahiana ho mitondra io aretina Coronavirus io.
