TOETR’ANDRO : Hangatsiaka ity herinandro ity

8°C ny ambany indrindra ary 17° ny ambony indrindra.  Izany no maripana iainana amin’ity herinandro ho an’ny  eto afovoantany, araka ny filazam-baovaon’ny toetrandro.
Efa tafiditra ao anatin’ny ati-ririnina isika eto Madagasikara amin’izao vanim-potoana izao, satria ny volana jona, jolay ary aogositra ny vanim-potoan’ny hatsiaka eto amintsika.

Hanjaka, noho izany, ny rahona ary mety arahin’erika izany, ka hibahana ny volon’andro ririnina.

Any amin’ny Faritra sasany, toy ny any Avaratra Atsinanana kosa dia hisy ny rivotra sy ny orana na dia somary ambony aza ny maripana.

Mahazo aina ny coronavirus

Hiaina ny maripana ririnina izany isika amin’ity herinandro ity. Ilaina fatratra ny fitandremana manoloana ny valanaretina. Voalaza fa ny hatsiaka no mora iainan’ity valanaretina mbola iadiana ity.

Ambonin’izany, ho maro ny olona hifamezivezy noho ny fepetra fihibohana nohalefahana eto afovoantany.

Vous aimerez aussi