Diso tafahoatra loatra ny hafanana eto amintsika tao anatin’ny anatin’ny andro maromaro lasa izay. Raha fanatanjahantena dia ambara hoe montsana ny zava-bita tsara indrindra.
Ny alakamisy lasa teo no tena tsikaritra izany tamin’ny faritra maromaro, toa an’Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa, Toliary, Ranohira, Antsiranana ary Ambohitsilaozana, satria dia tafakatra 33°C ny teto an’Antananarivo ny faran’ny herinandro lasa teo raha 32°C izany hatramin’izay, rehefa volana oktobra. Ny tao Fianarantsoa dia tafakatra 34°C, Toliary 39°C, Ranohira 37 °C,… Raha akapoka dia nisondrotra 6 ka hatramin’ny 8° C amin’ny tokony ho izy ny maripana eto amintsika.
« Vague de chaleur » na « canicule »
Noho izany, azo sokajiana ho tafiditra indrindra ao anatin’ny hoe « vague de chaleur » na ny « canicule » ny eto amintsika. Hisy ny faritra mbola hiaina izany ao anatin’ny 3 na 4 andro eo ho eo. Ho an’i Fianarantsoa manokana anefa dia efa hisy rotsakorana rahampitso, izay hampidina kokoa ny maripana ao aminy.
Raha ny tokony ho izy dia 26° na 27° C ny eto Antananarivo, saingy nisondrotra loatra ka tsy araka ny tokony ho izy izany ka azo anambarana ho fisian’ny « vague de chaleur ».
Ny volana oktobra no isehoan’ny hafanana indrindra. Maina ny rivotra ary kely ny hamandoana. Na izany aza, tsikaritra ihany koa fa kely loatra ny fidinan’izany hafanana izany amin’ny alina.
Azo ambara ho anisan’izany ny fisian’ny doro-tanety, hoy ny manam-pahaizana.
Mety hahafaty ny hafanana
Tsy tokony hisara-dàlana amin’izany koa anefa ny fitsinjovana ny toe-pahasalamana. Hany ka zava-dehibe mihitsy ny fisotroana rano, indrindra ho an’ny zaza sy ny zokinjokiny ary ny olona marefo.
Ny olon-dehibe dia tokony hahalany rano 1,5 litatra isan’andro. Tsy tokony handeha irery ireo olona efa mahazo taona, satria mety tsy hahazaka izany hafanana izany.
Tsy tsara ihany koa ny fisotroana rano glacée, hoy ny mpitsabo, noho ny fahasarotana eo amin’ny fandevonan-kanina, torak’izany ny ranon-tsiramamy, izay miteraka diabeta koa aoriana kely.
Mila mitandrina manoloana ny hafanana be toy izao koa anefa ireo olona manana olana ara-tosidrà.
Ary ahiana indrindra koa ny mety hahavoa ny homamiadan’ny hoditra, indrindra ho an’ireo olona tsy maintsy miasa eny amin’ny tanin’andro.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.