Mitsingerina amin’ity anio ity ny fanambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamim-pomba ofisialy ny maha-Filoham-pirenena an’i Andry Rajoelina.
Manao tombana ny asa vitany ny vahoaka, satria Filohan’ny Malagasy rehetra izy na dia ny 2.586.938 tamin’ireo mpifidy 4.767.342 ihany aza no nifidy azy, tamin’ireo voasoratra anarana miisa 9.913.599.
Mifanojo indrindra amin’ny taona vaovao, izay fotoana fanaovana jery todika ny asa vita izao vanim-potoana izao.
Ny 24 janoary rahateo koa no tsingerintaona voalohany nandraisan’ny governemanta ny asany, izay nanatanterahana ny fandaharana asan’ny Filoha, araka ny Velirano noventesiny nandritra ny fampielezankeviny.
Tatitra
Misy isam-bolana ny tatitra ataon’ireo Minisitra any amin’ny Filohan’ny Governemanta sy ny Filoham-pirenena. Tombanana isaky ny enim-bolana izany ka amaritana raha mifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana tokoa ny asa na tsia. Isan-taona kosa no ijerena ny asa raha vita na tsy vita, mipaka any amin’ny vahoaka tokoa sa tsia,… ?
Miisa 13 ny fampanantenana lehibe na ny velirano nampanantenain’ny Filoha hatao manerana ny Nosy. Samy manana ny karazan-tsolomaso hijerena izany ny rehetra. Misy ny manao fijerin’ny mpakafy, eo no manao ny fandiniky ny mpanohitra, eo koa anefa ny olon-tsotra miaina sy mahita ny zava-misy fotsiny.
Mitavozavoza
Araka ny fantatra dia efa voarain’ny Filoha ny tatitry ny taona 2019, ny volana desambra lasa iny. Andrasana ny mety hanovàna na tsia ireo tompon’andraikitra mpanatanteraka, toy ny Minisitra.
Ny tsapa dia misy ny fitavozavozana eo amin’ny fanatanterahana ny asa samihafa.
Anisan’ny misongadina ny fahavitan’ny làlana eto an-drenivohitra, saingy rakofan’ny ranon’orana anatin’ny fotoana vitsy izany ka atahorana tsy hateza, satria tsy nandraisana fepetra mifanaraka amin’izany ny fantson-drano.
Nankalazaina ny hanamboarana ny làlam-pirenena faha-44, ny volana oktobra lasa, kanefa tsy mbola manomboka ny tena asa. Nofaritana ny tany hanaovana ny trano mora sy building ao Mahajanga fa tsy mbola manomboka ny asa,…
Miha-manjaka ny tsi-fandriampahalemana
Saika isan’andro no ahitana sy andrenesana vonoan’olona amin’ny fomba feno habibiana raha vitan’ny haro-paosy sy fanendahana izany tany aloha. Miroso amin’ny fakana an-keriny sy ny fanolanana koa ny dahalo raha nionona fotsiny tamin’ny halatr’omby tany am-boalohany.
Tsy hita taratra ilay « drône » sy ny « puce » ho an’ny omby ary ny fiara tsy mataho-dàlana sy rano tokony hanenjehina ny olon-dratsy. Mainka aza mitombo isa ny mpitandro filaminana naiditra am-ponja tato ho ato raha heverina hahena ny isan’ny gadra.
Andrasana ny Governora
Natao hiara-kizotra ny fampandrosoana isam-paritra, saingy tsy mbola voalaza hatreto ny Faritra faha-23 ary tsy mbola voatendry ny antsasaky ny Governora.
Fototra iray ahitan’ny tanora asa anefa ny fanomezam-pahefana tanteraka ny Governora amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa sy fananganana ozinina isaky ny distrika, izay efa voafehin’ny Ben’ny Tanànan’ny fitondrana rahateo ny ankamaroany.
Tokony ho azo tsapain-tànana, noho izany, ny fahaizan’ny Fitondrana sy ny eny ifotony miara-miasa, satria miandrandra ny tena fandrosoana ny vahoaka.
Fototra iray mampiroborobo sy hanjakan’ny asa ratsy ity tsy fananana asa ity. Tsy mbola mipaka eny amin’ny vahoaka ny asan’ny Fitondrana. Mety ho diso tokoa ve ny laharam-pahamehana ?
