Nodimandry omaly, teo amin’ny faha-82 taonany i Emmanuel Rakotovahiny. Endrika tsy zoviana teo amin’ny sehatra politika malagasy ny lehilahy, satria Praiminisitra tamin’ny Fitondran’ny Pr Zafy Albert izy.
Anisan’ireo nandray anjara mivantana tamin’ny fametrahana ny Repoblika fahatelo teto Madagasikara ny lehilahy, teo anelanenan’ny taona 1991-1993.
Mpikambana mavitrika teo anivon’ny Herivelona Rasalama rahateo izy tamin’izany.
Voatendry ho Praiminisitra i Emmanuel Rakotovahiny, ny 30 Oktobra 1995, rehefa nitranga ny tsy fifanarahana politika teo amin’i Zafy Albert sy ny Praimnisitra Francisque Ravony.
Ny taona 2009 dia voatendry ho mpiara-mitantana teo amin’ny tetezamita, avy amin’ny firehana Zafy Albert i Emmanuel Rakotovahiny.
Mpikambana tao amin’ny kabinetran’ny Praiminisitra Ntsay Christian izy tamin’izao fodiamandry izao.
