Mahavelon’ahiahy sy tebiteby lalina eo amin’ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra ankehitriny ny manodidina ny fianaran’ireo menaky ny ainy. Hatreto tokoa mantsy tsy mbola nahazoana fanazavana ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny amin’ny hirosoana na tsia amin’ny fanatanterahana ireo fanadinam-panjakana. Ny hany re miverimberina tato ho ato dia ny fampanantenana tsy arahin’asa mivaingana fa tsy ho taona fotsy ny taom-pianarana diavina ankehitriny.
Manahy ny amin’ny fipariahan’ny covid- 19
Manahy fatratra ny amin’ny toe-pahasalaman’ireo zanany mbola manohy ny fianarany any an-tsekoly ihany koa ireo ray aman-dreny manan-janaka hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny Cepe, Bepc ary ny bakalorea. Manoloana izao fihanaky ny covid- 19, izao, hoy ireo ray aman-dreny dia tokony hamafisina bebe kokoa ny fepetra eny anivon’ireo sekoly mandray ireo mpianatra ireo. Ny fara fahakeliny amin’izany toy ny fampiasana ny « gel » fanasana tanana aza anefa tsy tazana eny amin’ireny sekoly ireny akory. Tsy voahaja ihany koa ny mpianatra iray isan-dabilio, ho an’ny ankamaroan’ireo toeram-panabeazana manana mpianatra maro.
Ny mahagaga sy ny mahatalanjona ny maro dia tsy misy ny fanaraha-maso akaiky ataon’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ireo sekoly mampiantrano ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana. Tanteraka ara-bakiteny tokoa ilay tenin-jatovo manao hoe : « mandeha ny mandeha ». Anatin’izao vanimpotoana mampirongatra be ny fipariahan’ny covid- 19 izao anefa izy ireo, hoy ity Renim-pianakaviana iray manan-janaka hiatrika ny fanadinana Cepe, no tokony ho hentitra tanteraka amin’ny fanaraha-maso, mba ho fitsinjovana ny ain’ireo ankizy mpianatra. Manantena sy miandrandra fatratra ny fandraisana andraikitra avy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mba hampisinda ny ahiahin’izy ireo.
