Tsy nisalasala i Ramatoa Rafiononantsoa Tolotriniaina Domoina. Tompony sady mpitantana ny « Zarasoa confection » etsy Andrefanambohijanahary ambonin’ny Jirama nanambara fa : «Henjana ny fifaninanana misy eo amin’ireo samy mpisehatra amin’ny fanjairana sy ny fanaovana ny « sérigraphie » ankehitriny »…
Anisan’ny mahatonga izany, hoy, hatrany izy ny fisian’ny tsy fanarahan-dalana sy ny gaboraraka misy eo amin’ny sehatry ny fanjairana sy ny fanaovana ny « sérigraphie » Ity farany izay fametrahana sary sy soratra hampiavaka ireo karazan’akanjo zairina. Ho fiatrehana izany miroso amin’ny fampiakarana hatrany ny hatsaran’ny kalitaon’ny vokatra sy ny fanajana ny fe-potoana omena ireo mpanjifa hahavitana ny asa ny eo anivon’ny Orinasa malagasy « Zarasoa confection » Tsy afa misaraka amin’izany ihany koa, hoy hatrany Rafiononantsoa Tolotriniaina Domoina ny fampiasana ireo milina manaraka ny fenitra (Matihanina) mba hahazoana vokatra tsara tsy ho mena-mitaha amin’ireo mpisehatra hafa eto an-toerana sy hatrany Dilambato.Mitaky ny fahaiza-manao sy ny fahamatorana eo amin’ireo samy mpiara-miasa, araka izany, ny hahatomombana ireo rehetra ireo eo amin’ny tontolon’ny fikirakirana ny zaitra sy ny fanaovana « sérigraphie » koa hitera-bokatsoa ho an’ny rehetra.
Marihana fa tsy mifidy karazan’akanjo zairina ny « Zarasoa confection ». Anisan’ireny ny Gilet enti-miasa, aron’akanjo ho an’ireo mpianatra na mpiasa, casquette, T-Shirts, fanamiana fanaovana fanatanjahatena, sns Ny fahaiza-manao laroina finiavana miampy ny toe-tsaina vonona ny hanatsara hatrany ny kalitaon’ireo vokatra. Ireo mitambatra no antoky ny fahombiazana ho an’ny « Zarasoa confection » izay mandia ny faha telo taona nijoroany miorina etsy Andrefanambohijanahary, ambonin’ny orinasa Jirama. Ny hizara ny soa hatrany ho an’ireo mpiray Tanindrazana rahateo no teny filamatra ho an’ity Orinasa malagasy miezaka hatrany manandratra avo ny vita malagasy eo amin’ny tontolon’ny zaitra ity. Efa mielimpatrana manerana ny Nosy ny vokatra avy ao amin’ny « Zarasoa confection » Tsy ho ela ihany koa ny hisokafan’ny toeram-pivarotana « Boutique » eto Antananarivo. Io no natao dia ho fanomezana fahafam-po hatrany ny filan’ireo Mpanjifa sy hampifanakaiky bebe kokoa ny roa tonta (Orinasa sy ny Mpanjifa), hoy, i Domoina. Ny facebook « Zarasoa irak’i Kristy » sy ny laharam-pinday 034 16 818 28 Ireo no hafahana mitafa mivantana amin’ny « Zarasoa confection » Ity farany izay nanantitra hatrany ny fahavononan’izy ireo ny hampakatra hatrany ny hatsaran’ny kalitaon’ny vokatra ho fanandratana avo ny « Vita malagasy » tsy mena-mitaha amin’ny an’ireo Firenena hafa.





