TOSIKA FAMENO SY FANAMPIANA SAMIHAFA : Ireo manankatao no tena mahazo ny fanampiana

Efa maro ireo fitarainana voaray teny anivon’ny fokontany, fa ireo olona tena sahirana sy tsy manankatao dia anisan’ny tsy misitraka ilay tosika fameno sy ireo karazana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana hatramin’ny nisian’ity valan’aretina covid19 ity, ka nahatonga ny filohampirenena nizara ireo karazana fanampiana ho an’ireo olona tena sahirana sy marefo ara-pivelomana. Tsy izy ireo anefa no mahazo izay fanampiana izay, hoy ny sefo fokontany Ilafy sy Antanandrano ary Analamahitsy nanaovana ny fanadihadiana, fa ireo olona manankatao indray no lasa misitraka izay fanampiana izay, hany, ka ireo sefo fokontany indray no mahazo tsiny amin’izany. Izy ireo no asaina mandray ny anarana sy manoratra ny anaran’ireo olona sahirana ao anaty lisitra, fa tsy anjaran’izy ireo kosa no mizara ny fanampiana, fa efa misy ny tompon’andraikitra napetraka hisahana izany, ka anisan’ireny ny fametrahana ny komity Loharano. Raha mitohy izao hamehana ara-pahasalamana izao, dia tokony hanao fanadihadiana eny ifotony (ndlr : fokontany) ireo tompon’andraikim-panjakana hijery ireo tena sahirana, fa lasa akamakama sy olo-pantatra ary ireo manankatao no mahazo izay fanampiana izay, hoy hatrany ireto sefo fokontany ireto.

Vous aimerez aussi