TRANO FIVAVAHANA “MI-AINA MIRINDRA” ENY SOAVIMASOANDRO AMBOHIDRAZANA : Nanatontosa “Fisoratam-panambadiana faobe”

Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny Trano Fivavahana “Mi-Aina Mirindra” eny Soavimasoandro Ambohidrazana, ny 19 septambra 2025, ny “Fisoratam-panambadiana faobe” izay nokarakarain’izy ireo. Tsy nanavahana olona avy amin’ny antokom-pinoana na antokom-pivavahana, ity “Fisoratam-panambadiana faobe” ity fa izay rehetra te hisoratra ara-panambadiana, dia afaka nanatontosa izany avokoa tao amin’ity Trano Fivavahana ity. Ny Trano Fivavahana “Mi-Aina Mirindra” eny Soavimasoandro Ambohidrazana, dia nanatontosa hetsika roa samihafa ho an’ireo mpino tamin’ity volana septambra 2025 ity. Teo aloha ny “Fisoratam-panambadiana faobe” izay notontosaina ny 19 septambra 2025. Ankoatra izay, ny “Croisade” Vaha-olana Mahagaga ho Anao” izay notontosaina, ny sabotsy 6 septembra 2025. Lohahevitry ny “Croisade” tamin’izany ny hoe: “Ny zavatra rehetra hain’Andriamanitra”. Ity fanompoam-pivavahana ity izay niderana an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny “Vavaka”, “Delivrance” sy “Fanapahana ozona” ary “Vavaka ho an’ny marary”. Nanatontosa ihany koa hetsika ara-pilazantsara. Na voalohany aza no nanatontosan’ny Trano Fivavahana “Mi-Aina Mirindra”, fanompoam-pivavahana tahaka izao, tonga maro ireo mpino nanohana ny antso. Tsy hijanona amin’ny fanompoana an’Andrimanitra fa hitarika hatrany ireo mpino ao aminy mba hanara-dia an’Andriamanitra, ny Trano Fivavahana “Mi-Aina Mirindra”. Manaporofo izany ny hanatanterahan’izy ireo “Croisade” Faharoa indray amin’ny volana desambra 2025. Mialohan’io fotoana io anefa dia hanatanteraka “Croisade” isam-pokontany izy ireo isam-bolana, araka ny fanazavan’ny Pasteur Ramangason Nirina Jean Claude.

Vous aimerez aussi