Namoizana aina Renim-pianakaviana iray indray tetsy Besarety, ny faran’ny herinandro teo, ny lafiny tsifandriampahalemana. Tsy nisalasala nitifitra avy hatrany ilay ramatoa mpamongady zavapisotro ireo jiolahy nanafika teny an-toerana. Olona niisa 02 ihany koa no naratra, tao anatin’ity fanafihana mahery vaika ity.
Sahy sy mahatoky tena
Ny tsikaritra, manomboka manana fahasahiana sy mahatoky tena tanteraka ireo jiolahy manao ny asa fanafihana sy fandrobana. Tsy mifidy ora hanatanterahana ny asa malotony intsony ireo mpanafika toeram-pivarotana, cash point ary tokantrano amin’izao fotoana izao.
Vao mainka mampitombo ny fahasahian’izy ireo ny fitazonany fitaovam-piadiana mahery vaika. Mbola mitoetra ho baraingo hatrany ny niavian’izy ireny. Maro ireo filazana natao ombieny ombieny fa misokatra ny famotorana sy ny fitadiavana ny loharano nipoiran’ireo fitaovam-piadiana mipariaka etsy sy eroa. Hatreto tsy nisy tohiny izy ireny fa toa very anjavony ny ankamaroany.
Ny valalabemandy hatrany no mibaby ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Ankoatra ny fiatrehana ny covid- 19 izay mety hamoizana aina raha tsy mitandrina dia mbola zogain-dRamalagasy ihany koa ny tebitebin-tsaina ateraky ny tsifandriampahalemana miseho lany saika ho isanandro vaky. Manaitra ny sain’ireo tomponandraikitra mba hizaha vahaolana maharitra sy haingana fa mijaly ny ambanilanitra amin’ny asa ratsin’ireo jiolahy. Ny fitaovana rahateo efa raitra ho an’ireo mpitandro ny filaminana koa inona no mbola andrasana ?
