TSY FAHAIZANA MITONDRA : Tairo ny hetsika !

Tsy manaiky intsony ny vahoaka mandady harona fa tsy maintsy manaitra ny mpitondra amin’izao tsy fahaiza-mitondra izao. Ny olana goavana moa dia ny tsy fisian’ny jiro sy rano, sy ny fahantrana ankapobeny ary ny fahasarotana eo amin’ny fiainam-bahoaka.

Leo ny vahoaka ka hampiseho ny fahatezerany amin’ny Alakamisy izao eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo.

Ny raharaha niseho tetsy Anosikely manoloana ny Antenimiran-doholona izay nitondran’ny Mpnolotsainan’ny Kaominina telo daba-mavo sy labozia no nampisaina ny vahoaka fa tsy maintsy mihetsika izy.

Ny Fanjakana moa dia efa miomana handrara izany hetsika izany koa hita eo ny tohiny.

Vous aimerez aussi