Ny “rendez-vous du REMAPSEN” no hetsika notontosain’ny tambajotra iombonan’ireo mpanao gazety ao anaty haino vaky jery misehatra eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny tontolo iainana na ny “REMAPSEN”, ny zoma 27 jona 2025, teny amin’ny “OJM” Ambohidahy. Io fotoana io izay niresahana ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Na ny olon-dehibe na ny ankizy na ny zaza araka izany dia tratran’io tsy fanjarian-tsakafo io avokoa.
Tsy fanjarian-tsakafo izay tsy hoe tsy fahampian’ny sakafo hohanina fotsiny ihany fa tsy fanjarian-tsakafo izay vokatry ny tsy fahaizana mampiaraka ireo sakafo ara-pahasalomana tokony hohanin’ny tsirairay. Sakafo mameno ny kibon’ny ihany no hohanin’ny rehetra fa tsy mba sakafo mamelona ny vatana no tsy sakafo mampiaina izany vatana izany ara-dalàna. Tsy ara-pahasalamana araka izany ilay sakafo hohanina izany hoe: tsy mitondra otrikaina ilain’ny vatana. Io tranga io izay miseho eo amin’ireo manan-katao indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana na ny eto an-drenivohitra na ny any ambanivohitra, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny “ONG HAFA”, Hasiniaina. Mihamahazo faka hatrany ankehitriny ity resaka tsy fanjarian-tsakafo ity eto Madagasikara.
Manaporofo izany ny antontan’isa izay milaza fa ny 50 % amin’ny ankizy latsaky ny 5 taona eto amintsika dia tratry ny tsy fanjarian-tsakafo avokoa hany ka tsy mitombo ara-dalàna na tratran’ny “retard de croissance”. Ny 45 % amin’ny fahafahatesan’ny zaza ihany koa dia misy ifandraisany avokoa amin’ny tsy fahampian-tsakafo mitarazoka sy mafy. Ny any amin’ny faritra atsimo no tena lasibatr’io tsy fanjarian-tsakafo io voalohany hatramin’izay ka hatramin’izao. Ankoatra azy ireo dia ireo mponina any ambanivohitra ihany koa dia manana olana lehibe eo amin’io tsy fanjarian-tsakafo io. Sakana ho azy ireo ny tsy fisitrahana sakafo ara-pahasalamana sy feno. Izy ireo izay tantsaha mpamboly sy mpiompy manam-bola kanefa dia misakafo tsizarizary isan’andro. Fomban’izy ireo ny mitahiry vola fotsiny fa sy tsy mahafoy mihinana ny biby fiompy raha tsy efa maty.
Vokatr’io tsy fanjarian-tsakafo io dia mizaka tsy fahasalamana ihany koa izy ireo. Ny 5 % amin’ny tsy fahampiana “fer” ao amin’ny vatana ihany koa dia noho ny tsy fahaizana misakafo feno avokoa. Izy io izay mahatonga ny fidinan’ny hery fiarovana sy ny “anemie” eo amin’ny ankizy. Anisan’ireo firenena manan-karena vokatra tsara sy “bio” anefa i Madagsikara kanefa dia tsy mahay manararaotra izany noho ny tsy fahaizana mandanjalanja ny sakafo ampidirina any am-bava, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny “Association Mentor ECCE” izay misehatra amin’ny adisisika ho an’ny ankizy.
Manolona ireo rehetra ireo dia manao antso amin’ny rehetra ny “ONG HAFA” sy n y “Association Mentor ECCE” mba hahay hisakafo ka handrindra ny sakafo hohanina. Tokony hahitana sakafo karazany 5 samihafa ny sakafo hohahina isan’andro. Izy io izay tokony hifangaroan’ny voankazo sy legioma. Manao antso avo amin’ ny fitondram-panjakana ihany koa ny mpisehatra mba hanentana ny tsirairay mahakasika izay fahaizana misakafo izay hisitrahan’ny rehetra fahasalamana feno.
