Mahagaga sy mahatalanjona ny maro fa feon-dakolosy tokana avy amin’ireo mpitondra fanjakana hatrany no re sy hita rehefa mijery ny fampahalalam-baovaon’ny TVM sy RNM ny rehetra. Dradraina ombieny ombieny anefa fa malalaka “hono” ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara. Ny mifanohitra tanteraka amin’iza ny anefa ny iainantsika ankehitriny. Voailika tanteraka tsy afaka mampiasa ny haino aman-jerim-bahoaka mba hanehoany ny heviny ny mpanohitra. Tsy afa manoatra ve sa tsy mahafehy ny etika sy deontolojian’ny asa fanaovan-gazety ireo Mpanao Gazety matihanina eo anivon’ny RNM sy TVM ? Mila manana fomba fiasa matihanina ny mpisehatra amin’ny serasera mba tsy ho baikon’ny Mpanao polifika isika mpanao Gazety ! Zon’ny Malagasy ny manjifa vaovao marolafy sy Marina.
