Fifanaovan-tsoniam-pifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina na ny “UNFPA” sy ny “AFG Bank” no notontosaina, teny Andraharo, ny 10 aprily 2025. Fifanaovan-tsoniam-pifanaraham-piaraha-miasa izay hiompana amin’ny tetikasa haharitra 44 volana amin’ny fiaraha-mitantsoroka ny vehivavy sy ny tanora.
Fifanaovan-tsoniam-pifanaraham-piaraha-miasa izay hanasongadina ihany koa ny fampiasam-bola mahakasika ny fahasalamana sy ny zon’ny vehivavy izay tsy natao ho vonjy taitra fotsiny ihany amin’ny maha-olona fa mba ho tena hisy vokany mahery vaika ihany koa eo amin’ny fampitomboana ny ara-toekarena sy ny ara-tsosialy. Rehefa omena tosika sy hery ny vehivavy sy ny tanora dia mandroso ny fiaraha-monina iray manontolo. Dingana lehibe hanova mankany amin’ny hoavy tsaratsara araka izany no heverina fa ho fiantraikan’ity fifanaovan-tsoniam-pifanaraham-piaraha-miasa ity. Ao anatin’izany rafitra izany no hanatanterahan’ny “UNFPA” sy ny “AFG Bank” fiaraha-miasa. Ity fiaraha-miasa vaovao ity araka izany dia hanohana ireo vehivavy mpandraharaha mba hahafahany mindram-bola. Ireo niharan’ny herisetra mianjady amin’ny lahy sy ny vavy ihany koa dia hamoraina ny fidiram-bolan’izy ireo mba hananan’izy ireo fahaleovan-tena.
Hanolorana fampiofanana ny tanora sy ny fianarana asa eo amin’ny sehatry ny teknolojia ao amin’ny “AFG Bank” ihany koa ity fifanaovan-tsoniam-pifanaraham-piaraha-miasa ity. Tanjon’ny “AFG Bank” ny hanome lanja ny ara-toekarena sy ara-tsosialy mba ho fanalahidin’ny fampandrosoana maharitra, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny “AFG Bank”, Kadiatou-Ina Diallo. Ity fifanaovan-tsoniam-pifanaraham-piaraha-miasa ity izay tena nahavelom-bolo ny “UNFPA” satria dia zava-dehibe izy io. Hahafahana manohana ireo tanora hirotsaka amin’ny asa fanentanana momba ny fananahana ara-pahasalamana. Hahafahan’ireo fandaharanasa mitohy ihany koa na nisy aza ireo fanampiana hafa nitsahatra. Hisitrahan’ny vehivavy sy ny tanora tombontsoa manokana araka izany ny fifanaovan-tsoniam-pifanaraham-piaraha-miasan’ny roa tonta dia ny “AFG Bank” sy ny “UNFPA”.
Tsy sambany rahateo ny “AFG Bank” no nanolo-tanana ny “UNFPA” fa efa nisy ny anjara biriky nentin’izy ireo tamin’ny fampiasana ny “Clinique mobile” mitety faritra izay nanome tolotra ara-pahasalamana. Ny fisian’ity “Clinique mobile” ity izay nahafahan’ireo vehivavy any ambanivohitra niteraka am-pilaminana miaraka amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana, araka ny fanazavan’ny solon-tenan’ny “UNFPA” eto Madagasikara, Josiane Yahuibou.
