Nandritry ny telo taona nijoroan’ny Oniversite tsy miankina “Université Privée d’Ambohidratrimo” na ny “UPA” eny Ambohidratrimo dia tsy nitsahatra nikaroka hatrany izay mahasoa ny Oniversite sy ireo mandranto fahaizana amam-pahalalana ao aminy ireo tompon’andraikitry ny Oniversite. Anisany himasoan’ity Oniversite tsy miankina ity ny fanoroan-dalana ireo tanora mpianatra ao aminy amin’ny fahafehezana ny tenim-pirenena vahiny sy ny hahafehezana ihany koa ny informatika. Amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Programme d’excellence” izay natokana ho an’ireo tanora mpianatra vao afaka bakalorea no hanatanterahan’ny Oniversite izany.
Torolalana vaovao vao napetraky ny Oniversite tamin’ity taona ity ny fandaharanasa. Natao manokana mba hananan’ireo mpianatra traikefa hahavoafehy ireo taranja ireo sy ny fikirakirana ny informatika ary indrindra ny hananan’ireo tanora mpianatra fahaiza-miaina ihany koa araka izany ny fandaharanasa. Olana sedrain’ny tanora mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea ny tsy fahafehezana ireo taranja ireo. Mialoha ny hanohy ny fianarana eny amin’ny sehatry ny Ambaratonga Ambony anefa dia ny fahaizana sy ny fahafezana ireo no laharam-pahamehana mba hahafahana mifehy ny Lalam-piofanana nosafidiana. Misy Lalam-piofanana maro azo isafidianana ao amin’ny “Université Privée d’Ambohidratrimo”.
Mampiavaka ny “UPA” ny fitrandrahana ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra ao aminy amin’ny alalan’ilay antsoina hoe:”Vie scolaire”. Tanjona ny hanosehana ireo mpianatra hamoaka ny talentany ankoatry ny fianarana rantoviny. Ny hiitaran’ny Oniversite “UPA” any Afrika no vina apetraky ny Oniversite amin’ny taom-pianarana 2026-2027. Eo ihany koa ny hahazon’ireo tanora mpianatra ao aminy ny diplaoma iraisam-pirenena, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny “UPA”, Azad Asgaraly.
