VANGAINDRANO – MAHAVITARA SYLVESTRE : Mangataka ny hamoahana azy any am-ponja ny vadiny

Mivoatra hatrany ny toe-draharaha ! Taorian’ny niantsoan’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina an’ireo herivelona rehetra, mba hifampidinika teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny alarobia 08 oktobra 2025, mba hikaroham-bahaolana miaraka amin’izao krizy eto amin’ny firenena izao. Mivoatra manaraka izany ihany koa ireo fitakiana maro samihafa. Ao anatin’izany ny fitakiana ny hamoahana an’Atoa Mahavitara Sylvestre any am-ponja. Nangataka tamin’ny filoham-pirenena ny hamoahana am-ponja an’Ing Mahavitara Sylvestre ny ben’ny tananan’i Vangaindrano, izay tsy iza, fa ny vadiny ihany amin’izao toe-draharaham-pirenena mafana izao.

Raha tsiahivina ny loharanom-baovao tamin’izany, dia resaka fanodinkodinam-bola tamin’ny resaka tsenambaro-panjakana nandritra ny COVID-19, izay mitentina hatrany amin’ny 40 miliara mahery (40 561 664 700 Ar) teo anivon’ny sampana misahana ny fandrindrana ireo tetikasa teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny vesatra niampangana sy nampidirana am-ponja azy, ka dimy taona an-tranomaizina sazy mihatra miampy lamandy 100 miliara Ariary mahery no sazy azon’Ing Mahavitara Sylvestre tamin’izany. Ny Tendrom-pitsarana Miady amin’ny Kolikoly na ny (PAC) eto Antananarivo no namoaka ny didy manasazy azy tamin’izany. Ankehitriny moa, dia nanambara ny fahavononany hiroso amin’ny famotsorana ireo nogadraina tamin’ny tsy rariny manoloana ny toe-draharaha politika mafampana ny Filoha Andry Rajoelina. Ka asa raha ho voasokajy anatin’izay nogadraina tamin’ny tsy rariny izay ity raharaha mikasika an’Ing Mahavitara Sylvestre ity na isan’ireo olona mbola tokony hamita sazy any am-ponja ? Ho hita eo ny tohiny…

Vous aimerez aussi