VEHIVAVY MPANDRAHARAHA MALAGASY : Mangataka fanampiana amin’ny fanjakana

Ny 50 %-n’ireo orinasa Malagasy eto amintsika dia tantanana vehivavy malagasy avokoa, raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala, izay diso fantatsika loatra amin’ny fikarakarana ilay hetsika tsenabe “La Grande Braderie de Madagascar”. Vokatry ny Covid-19 anefa dia tra-pahasahiranana tanteraka ireo vehivavy mpandraharaha Malagasy ireo. Nisy ireo efa nanakatona ny orinasany mihitsy nefa namelona ankohonana maro raha misy ihany koa ireo mbola misokatra saingy tsy zarizary. Manao antso avo amin’ny fanjakana ny amin’ny tokony hijerevana azy ireo araka izany ireo vehivavy mpandraharaha mivondrona ao amin’ny GFEM na ny “Groupement de Femmes Entrepreneurs de Madagascar”, tarihin-dRazakaboana Fanja. Notsindrian’ity filohan’ny GFEM ity fa ankoatra ireo vehivavy mpandraharaha eto Antananarivo dia tokony hojeren’ny fanjakana ihany koa ny any amin’ny faritra. Marobe ny zava-bitan’ireo vehivavy mpikambana raha araka ny fanazavany izay azo havadika ho tosika ho enti-manatsara ny toe-karem-pirenena, indrindra aorian’ny fisokafan’ny fihibohana izay tsy maintsy hitodihana amin’ny fanatsarana ny toekarem-pirenena. Tsiahivina moa fa mandrafitra ny 20 %-n’ny asa fandraharaha eto Madagasikara dia vehivavy avokoa.

Vous aimerez aussi