Tonga nihaona tamin’ny solontenan’ny mponina teny Anosibe Zaivola, ny solontena avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, io maraina io. Solontena izay notarihin’i Augustin Andriamananoro, Mpanolotsaina sy ny Talen’ny Tetikasa Tanamasoandro, Gérard Andriamanohisoa sy ny avy amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany ary ny solontenan’ny APIPA.
Teny Ambohitrimanjaka kosa ny Tale Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, Pierre Houlder Ramaholimihasy sy ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidiana ny prezidansa, Rinah Rakotomanga.
Anisan’ny fanambaran’ny solontenan’ny mponina tao amin’ity fokontany ity ny mba tsy hikitihana ny tanin’izy ireo. Fa raha misy kosa ny fampandrosoana tian-katao, hoy izy, dia angatahina ny hanorenan’ny fanjakana foto-drafitrasa eto amin’ny fokontany. Anisan’izany ny sekoly, ny tobim-pahasalamana, ny fampidirana jiro, ny fanamboarana kianja filalaovam-baolina ary kianja fialamboly.
Tsy manaiky koa Ambohitrimanjaka
Nanamafy ny tsy fanekena ny fanorenana ny tetikasa Tanamasoandro eo amin’ny tanimbariny ihany koa ireo mponina mipetraka eny Ambohitrimanjaka. Tsara ilay tetikasa, hoy izy ireo, ka manana soson-kevitra izy ireo ny hanaovana izany eny avaratr’Ampangabe, atsimon’Ambohimanoa, izay lemaka azo hanatanterahana izany tsara.
Araka izany dia niangavy ireo delegasiona avy amin’ny Fitondram-panjakana ireo mponina mba hamindrana io tetikasa io.
Tsy atomboka ny asa
Araka izany dia nambaran’ireto solontena avy amin’ny Filoham-pirenena ireto fa tsy hisy akory ny asa atomboka raha tsy vita soa amantsara ny fifampiresahina sy fifampiraharahana eo amin’ny mponina rehetra, izay voakasiky ny fanotofana.
Tsy hitsahatra anefa ny fifampidinihana raha tsy misy ny marimaritra iraisana, izay atao amin’ny fo tony.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.