VOAHARY : Mpanakanto mandray anjara feno amin’ny asa fampandrosoana

Rakotondrazaka Sylvain Pascal no tena anarany, olon-tsotra, zanaka mpamboly avy any ambanivohitr’Anjozorobe, filohan’ny tarika Ry Voahary, izay mivoy sy manandratra ny mozika malagasy toto-tanana. Tsy mijanona hatreo amin’ny fizarana ny soa sy ny kanto amin’ny alalan’ny mozika ny lehilahy fa dia mirotsaka tanteraka amin’ny sehatr’asa fampandrosoana ny tanàna misy azy, eny Ambohitrimanjaka.

Nanorina fotodrafitrasa maro

Maro ireo fotodrafitrasa efa vitan’ny lehilahy. Eny amin’ny fokontany Antanetibe Ambohitrimanjaka no  nanorenany ny ivon-toerana “Lapa mozika” ahafahana mikirakira sy mandalina ny mozika ary mampivelatra ireo talenta vao misandratra. Ampahany ihany tamin’ireo asa fampandrosoana efa tontosany ny fanatsarana ireo sekolim-bahoaka sy ny fitondrana anjara biriky ho fanampiana ireo antoko, fikambanana maro isan-karazany.

Mpandala ny fihavanana I Rakotondrazaka Sylvain Pascal ary tsy mahatanty ny tsindry hazolena ombam-panambakana laroina fanambaniana atao amin’ireo mpiara-monina. Ny fivezivezena saika maneran-tany tamin’ny naha-tatsambo azy an-taonany maro izay niteraka fifandraisana maro amin’ireo teratany vahiny ka nahafahana nametraka fiaraha-miasa matotra sy mahomby hiteraka fampandrosoana. Io no ahafahako mitondra anjara biriky maro ho amin’ny fanatsarana ny Tanànan’Ambohitrimanjaka indrindra fa ho an’ireo sarababem-bahoaka mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana”, hoy I Voahary Rakotondrazaka Sylvain Pascal.  Azo ambara fa sambatra raha samy mananjara I Ambohitrimanjaka, manana an-dRakotondrazaka Sylvain Pascal, ho tabiha sy rehareha ary fialofana ho an’ireo osa. Miara-dalana tokoa ny mahasoa sy ny mahafinaritra.

Vous aimerez aussi