VOIN-KAVA MAHATRATRA : Manao « fitia tsy mba hetra » ny Faritra Mahatsiatra Ambony

Manolona ny voina mihatra sy mahazo ireo mpiray tanindrazana noho ny vokatry ny andro ratsy nisy teto amin’ny Firenena, dia manao fitia tsy mba hetra hanohanana ireo mpiray tanindrazana traboina ny Faritra Mahatsiatra Ambony. Izany dia ho mariky ny firaisam-po sy tolo-tanana hanampiana ireo mpiray tanindrazana tena voa mafy ireo any amin’ny Faritra rahavavy.

Nanomboka omaly zoma 24 janoary ny hetsika ary hitohy tsy tapaka hatramin’ny alatsinainy 27 janoary 2020 tolakandro. Ny Governoran’ny Faritra, Razafindrafito Lova Paupil, no nanapa-kevitra ny amin’izao hetsika izao,  ary miantso ny fiaraha-mientan’ny rehetra na sehatra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana.

Vous aimerez aussi