VOKATRA NOVOKARIN’NY IMRA : Aoka hatoky ny manam-pahaizantsika isika, hoy ny antoko Maintso

Tsy vaovao amin’ny malagasy ny fampiasana tambavy fa efa hatrany amin’ny razambe taloha, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Maintso, Fenosoa Ralandison. Maro koa ny manam-pahaizana malagasy no efa nandinika izany. Io fa tonga ankehitriny ny vokatra, hoy izy. Manao antso avo amin’ny malagasy aho, mba hanana fahatokisana amin’ny manam-pahaizantsika. Aoka koa isika hanana fitokisana fa manana fanantenana, satria ny 80% – n’ny zava-maniry eto, dia antsika irery ary manana ny singa ahafahana mitsabo sy misoroka ny karazan’aretina maro, hoy ny fanazavany. Amin’ny maha olom-pirenena ahy no hilazako, fa tsy vao sambany amin’ny voka-pikarohan’ny IMRA akory ny “Covid Organics”, ka sanatria hitavozavoza amin’izany izy. Aoka mba hanana ny maha izy azy ny Malagasy fa tsy hametrahana baraingo foana ny zava-bitantsika. Ekeko fa aina no resaka ary na inona na inona fanafody dia mametraka ahiahy hatrany, saingy matoa navoaka io dia farafahakeliny ao ilay fahazohana antoka azy, hoy hatrany ny tenany.

Vous aimerez aussi