Vontoatin’ny fanambaran’ireo Vondron’ny Mpitolona eto Madagasikara, ny alakamisy lasa teo, teny Mahamasina, ny filazana fa mba tokony ho Mpitolona sy mahafantatra ny atao hoe tolona ary ny antony nitolomana no apetraka ho Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta fa tsy ho olona izay tsy hahavaly izany fitakiana izany. Ireto Vondron”ny Mpitolona eto Madagasikara ireto izay efa nanolotra anaran’olona ihany koa ho eo amin’izany toerana izany. Andrasan’izy ireo araka izany izay anarana hivoaka eo. Nanamafy ireto Vondron’ny Mpitolona eto Madagasikara ireto fa hanome 3 volana izay Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta ho avy hanombanana ny asany ka raha tsy mahavita izany asany izany izy dia ho esorina avy hatrany. Tsy ireto Vondron’ny Mpitolona eto Madagasikara ireto ihany no efa nanolotra anarana ho eo amin’izay toeran’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta fa efa nisy ihany koa ny mponina any amin’ny Faritra, Fikambanana sy Vovonana ary ireo maro samihafa.


