VOVONANA "ARORIAKA MITOLONA HO AN'NY FANORENANA" : "Miova isika-Handroso isika"

“Miova isika-Handroso isika”, io no teny filamatry ny Vovonana “Aroriaka Mitolona ho an’ny Fanorenana” na ny AMF. Vovonana izay tena miandrandra tanteraka ny fanovana eto amin’ny firenena taorian’ny tolona teny an-dalambe. Ny VMF izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy 11 desmabra 2025, teny Tsiadana, ny fijoroany. Vovonana izay tena vonona ny hiady amin’izay rafitra ho an’ny fanarenana ifotony izay. Antony tsy hahatokisan’izy ireo ny FFKM amin’ny fitarihana ny fikaonan-doham-pirenena izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy teny Ivato, ny alarobia 10 desambra 2025. Ny FFKM izay tsy vao izao no nitarika izany fa efa nitarika izany hatramin’izay taona maro nisian’ny fikaonan-doham-pirenena teto amintsika izay. Manamafy ihany koa ny Vovonana fa fikaonan-doham-pirenena avy amin’ny fitondram-panjakana teo aloha no misy eto amintsika amin’izao fotoana izao fa tsy fikaonan-doham-pirenena avy amin’ireo mpizaika. Ny fitondram-panjakana teo aloha izay nampizaka ny mafy ho an’ny Malagasy. Manaporofo izany ny nanagadrany ireo tsy mitovy firehana aminy. Teo ihany koa ny nanimbany ny fiharian’ireo mpandraharaha. Manoloana izany dia mitolona tanteraka ho an’ny fanovana ny VMF, araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny Vovonana VMF, Ravelomanantsoa Be-Rija.

Vous aimerez aussi