VOVONANA TSY MIAMBOHO ADIDY : Hanatanteraka diabe ny alarobia ho avy izao

Diabe miainga eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ka hifarana eny Ambohijatovo, ny alarobia 11 febroary 2026, no hetsika hanamarihan’ny Vovonana Tsy Miamboho adidy, ny fahatsiarovana ireo mpitolona teto amin’ny firenena. Ity Vovonana izay ivondronan’ireo fikambanana ara-drazana sy ny « Génération XYZ » ity izay manasongadina fa ny « Tolona » ihany no hahafahana manova firenena. Antony hanomezan’izy ireo lanja ihany koa fa ny mpitolona sy ny notolorana fahefana dia mifandrohy hatrany. Ny Vovonana Tsy Miamboho adidy izay manohana izao fitondran’ny Kolonely Michael Randrianirina izao, dia ny “Fanavaozana” izany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ireo solon-tenan’ny mpikambana avy ao amin’ny Vovoanana Tsy Miamboho adidy. Ny datin’ny 11febroary dia fotoana hahatsiarovana ny nahafatesan’ny Kolonely Ratsimandrava. Ny Kolonely Ratsimandrava izay nisy nitifitra teny Ambohijatovo, ny 11 febroary 1975, ka maty.

Vous aimerez aussi