Mahantra sy mijaly ambony harena marolafy (Volamena, vatosoa, fasimainty, solika, sns) Ramalagasy noho ny gaboraraka, tsy fahaiza-mitantana ary ny fitiavan-tena diso tafahoatra eo amin’ireo mpitondra izay mitarika ho any amin’ny fikatsahana ny tombontsoa manokana ho azy ireo fa tsy ny hoan’ireo Vahoaka mijaly. Tsy mendrika iaina fahantrana, fijaliana, araka izany, ny Malagasy masi-mandidy eto amin’ny Taniny. Io no fanehoan-kevitra nisongadina, nentin’ny Pasitera Randrianoelison Fabio Eric Michael. Ity farany izay mpitarika ny « Vovonana Mikatsaka ny Tombontsoa ho an’ny Firenena » « VMTF ».
Dingana voalohany hataon’ny « VMTF » ny filazana ny tena zavamisy eto amin’ny firenena ankehitriny mba hahafahana manentana ireo mpiray tanindrazana ho sahy hijoro ho amin’ny fampanjakana ny fahamarinana, ny rariny ary ny hitsiny. Mitaky ny hampiharana ny sazy sy ny lalana amin’ireo mpangalatra ireo harem-pirenena sy manao tantely afa-darkotra an’i Madagasikara ny Pasitera Michael mba hahafahana mampanjaka ny fahamarinana izay antoka iray goavana ho amin’ny fandresena ny fahantrana. Vinanasan’ny « VMTF » ny famoronana asa amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fiompiana. Mila fitantanana madio sy mangarahara ary firaisankina ny firenena malagasy raha te handresy ny fahantrana sy hiala eo ambanin’ny gejan’ny fahantrana. Ny mahavariana amin’ny zavamisy ankehitriny, toa ireo « mpangalatra » sy manao kely tsy mba mamindro indray no arovana fatratra. Raha mitohy ny tahaka izao, azo antenaina ve ny hisian’ny fampandrosoana ?
