“WORLD COLA URBAN VIBES” ANDIANY FAHATELO : Nanomezana sehatra ny mozika an-tanàn-dehibe

Ny andiany fahatelo tamin’ny “World Cola Urban Vibes” na ny (WoCo Urban Vibes) no notontosaina, teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina, ny 5 aprily 2025. Hetsika izay nentina nampiroboroboana ny tontolon’ny mozika an-tanàn-dehibe eto Madagasikara.

Ity gadona “urbain” izay mivoatra hatrany ity dia manana tanjona ny haneho ny talentan’ireo mpanakanto tanora no entina hampitana hafatra amin’ny alalan’ny mozika sy dihy ary fanehoana ara-javakanto hafa ihany koa. Ankoatra izay dia hifampizaran’ ireo mpanakanto vahiny sy eto an-toerana traikefa sy fahaiza-manao amin’ireo mpankafy ny gadona maoderina. Tamin’ity andiany fahatelo ity dia mpanakanto malagasy miisa folo izay efa samy fanta-daza amin’ny mozika an-tanàn-dehibe no niaka-tsehatra nanafana ny fampisehoana. Anisan’izany i Ceasar, Rim-Ka, Mopcaan, Anatal, Lio, Parish, Ckycky, Lion Hill sy Madmax ary Agrad. Ireo mpanakanto ireo izay samy nanana ny nampiavaka azy eo amin’ny famoronana sanganasa kanefa mahay mampifangaro gadona samihafa manaraka ny vanim-potoanan’ny fanasongadinana ny endrika vaovaon’ny mozika. Niavaka tanteraka araka izany ny andiany fahatelon’ny “WoCo Urban Vibes” na teo amin’ny seho an- tsehatra na teo amin’ny kalitao indrindra fa ny teo amin’ny fitaovana ampiasaina izay nezahana nampifanarahana tamin’ny filàn’ ny mpankafin’ny ankehitriny.

Nanomezana fahafaham-po ny mpankafy no ihany nanomezana sehatra ny mpanakanto tanora sy ny zava-kantony mba hanasongadinana ny mozika an-tanàn-dehibe Malagasy ny “World Cola Urban Vibes” andiany fahatelo. Ity hetsika iray izay nanome lanja ny kolontsainan’ny dihy sy ny mozika an-tanàn-dehibe ity dia notohanan’ny “World Cola”. Nahitam-pahombiazana ny fampisehoana satria nahasarika mpijery maro izany. Ireo andiany roa teo aloha tamin’ity hetsika “WoCo” ity ihany koa dia tsy latsa-danja tamin’ity andiany fahatelo ity.

Vous aimerez aussi