“ZAMAHASAKY” : Fifaninanana nasionaly adisisika ho an’ny tanora

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny alatsinainy 16 jona 2025, teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny fifaninanana nasionaly adisisika ho an’ny tanora antsoina hoe: “ZaMahasaky”. Ity fifaninanana ity izay manome feo ny tanora malagasy mba hahafahany maneho mivantana ny heviny sy ny ahiahiny ary ny vinany momba an’i Madagasikara mahakasika ny mpanapa-kevitra, ny amin’ny fampiroboroboana ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy ara-politika amin’ireto lohahevitra manaraka ireto: voalohany dia ny maha-zava-dehibe ny fifidianana sy ny fandraisana fanapahan-kevitra ho an’ny tanora sy ny vehivavy. Faharoa dia ny Zo sy ny andraikitry ny olom-pirenena. Fahatelo dia ny amin’ny raharaham-pirenena. Fahaefatra dia ny ady amin’ny fanavakavahana sy fampiroboroboana ny fitoviana amin’ny ambaratonga rehetra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Fahadimy dia ny andraikitry ny tanora amin’ny fandriampahalemana sy ny demokrasia.

Ireo tanora 15 ka hatramin’ny 35 taona manerana ny Nosy no afaka mandray anjara amin’ity fifaninanana “ZaMahasaky” ity. Ny fifaninanana “ZaMahasaky” dia fampitana hafatra amin’ny alalan’ny hira, na tononkalo, na “slam”, na “mim” izay hatao anaty horonan-tsary tsy mihoatry ny 1 minitra. Io fizarana horonantsary fohy io izay tanterahana eny anivon’ny tambajotran-tserasera izay manentana ny tanora sy ny vehivavy handray anjara amin’ny sehatra ara-demokratika sy ny fitoviana ary zon’ny olompirenena. Hifarana amin’ny faha-13 jolay ho avy izao ny fara-fandraisana anjaran’ny mpifaninana amin’ny “ZaMahasaky” raha nosokafana nanomboka ny 16 jona 2025 izany.

Antony fifaninanana « ZaMahasaky » izay hampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny tanora sy ny vehivavy eo amin’ny sehatra ara-demokratika eto Madagasikara ny fahafantarana fa ambany ny tahan’ny fandraisan’ny tanora sy vehivavy amin’ny sehatry ny demokratika eto amintsika. Mba hanomezana anjara sy sehatra ny tanora indrindra ka hanomezana lanja ny feony mahakasika ny sehatra tokony handraisany fanapahan-kevitra sy ny ho avin’ny tanora araka izany no hanompanana ny fifaninanana “ZaMahasaky”, araka ny fanazavan’ny tale jeneraly misahana ny tanora ao amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Rahajarijaona Jeanne Arlette.

Vous aimerez aussi