Nisongana ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Andry Rajoelina, hoy ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa, tao anatin’ny 2 taona mahery nitondrany ny firenena. Teo ny fananganana fotodrafitr’asa tsy latsaky ny 30 tao amin’ny faritra Matsiatra ambony, hoy izy ireo ary samy nahazo ny anjarany avy ny kaominina, ny distrika, ny faritra ary tsy adino tamin’izany ny mikasika ny tsy fandriampahalemana izay nirongatra tao ho ao. Faritra 5 no mandrafitra ny faritra Matsiatra Ambony ary tsy nisy zanak’ikala hafa izy ireo fa nahazo fotodrafitr’asa avy tamin’ny fitondrana avokoa. Teo ny birao manara-penitra, nisitraka ny Birao Ifoton’ny Fananan-tany na BIF ny distrika. Ny tao amin’ny distrikan’i Lalangiana, dia nanjaka ny asan-dahalo fa amin’izao efa milamina, satria nametrahana “Détachement d’Autonome de Sécurité” na DAS ary novatsiana fitaovana koa ireo mpitandro ny filaminana. Noho ireo asa vitan’izao fitondram-panjakana izao dia mijoro ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa hiaro ireo asa vita ireo ary hosarotiny amin’ny zavatra vitan’ny Filohampirenena. Miantso ireo mpanohitra mba tsy hanakorontana ihany koa izy ireo, fa aleo hiasa ny fitondrana, hoy izy ireo. Namboly hazo niaraka tamin’ny mpikatroka TGV/MAPAR moa ireto zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa ireo.
