Fanovana rafitra amin’ny alalan’ny Fikaonandoham-pirenena no napetraka fa tsy ny mifanohitra amin’izay na ny fanovana rafitra mialoha ny fotoana, io no nivoitra nandritry ny fampahafantaran’ny Vovonana Tanora Aron’ny FAnavaozana na ny TAFA, ny fijoroan’izy ireo tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 17 aprily 2026, teny Anosizato Est I.
Jour : 21 avril 2026
ANDRO MANERANTANY HO AN'NY FINJININIHAN-DRA LAVA : “Fitiliana, dingana voalohan'ny fitsaboana” no lohahevitra
“Fitiliana, dingana voalohan’ny fitsaboana” no lohahevitra nentina nankalazana ny Andro Manerantany ho an’ny Fijininihan-dra lava na ny “Hémophilie”, tamin’ity taona ity. Anisan’ireo firenena nanamarika izany isika teto Madagasikara, ny zoma 17 aprily 2026, teny amin’ny hopitaly HUJRA Ampefiloha.
EPP BESAKOA-TOLIARA : Notolorana fitaovana sady noraisina ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra
Tafo fanitso miisa 100, loko anaty boaty miisa 10, “table- banc” miisa100, “kits scolaires” miisa 60, ireo no fitaovana natolotry ny Filohan’ny Fanavaozana mivady, ny EPP Besakoa-Toliara, ny alatsinainy 20 aprily 2026. Tanjona ny hanatsarana ny tontolon’ny fampianarana sy ho fanampiana ireo sekoly.
GROUPE PROSH'ELY & KAIAMBA TENA IZY : Hanolotra "Cabaret nostalgique" eto Iarivo
Raikitra ! Etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny Zoma 22 may ho avy izao, hanomboka amin’ny dimy ora hariva, no hiaka-tsehatra anatin’ny “Cabaret nostalgique” ny Groupe Prosh’ely sy ny Kaiamba tena izy ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy efa ela fiandrasana.
FOFIFA : Fanoitra ho amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo
Efa dimampolo taona no nijoroan’ny “Foibem-pirenena momba ny Fikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra” na ny “FOFIFA” etsy Andraisoro Ampandrianomby. Ivon-toerana eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ny Fofifa.
MPANAKANTO "HERY VALIHA" : Efapolo taona mahery nanamboarana Zavamaneno marolafy...
Teo amin’ny faha folo taonany fony teny ampiandrasan’omby no efa nahay nandrafitra zavamaneno toy ny Valiha sy ny kabosy vita tamin’ny tanimanga i Hery valiha. Ankehitriny efa mznitsaka ny faha Efapolo taona nanamboarana zavamaneno ny lehilahy.
AIDE ALIMENTAIRE : Les États-Unis soutiennent les populations du Sud
Ce 20 avril 2026, les Etats-Unis, par l’intermédiaire du Programme alimentaire mondial (PAM), ont fourni 5 000 tonnes métriques d’aide alimentaire pour soutenir 288 000 personnes frappées par la sécheresse dans le sud de Madagascar.
INQUIETUDES ET ALERTES DU COLLECTIF TANY SUR LES ORIENTATIONS AGRICOLES ACTUELLES
En cette Journée Mondiale des Luttes Paysannes, le Collectif TANY reprend son rôle de porte-voix des paysans et communautés rurales malagasy afin de mieux faire connaître leurs difficultés, luttes quotidiennes et revendications, dans l’espoir que les dirigeants et décideurs de la Refondation en prennent connaissance et commencent enfin à s’occuper de cette majorité habituellement silencieuse.
