Ny Alarobia 11 febroary ho avy izao, hanomboka amin’ny sivy ora sy sasany maraina, etsy amin’ny Auditorium “HAVORIA” Anosy no hanatanteraka ny fivoriamben’ny mpikambana rehetra eo anivon’ny”Office Malagasy du Droit d’Auteur” na “OMDA”.
Jour : 3 février 2026
FIANGONANA “MANAMBOARA VATSY” : Nahatontosa ny Andao handray “tso-drano” 2026
Ny tontolo andron’ny Sabotsy 31 Janoary dila teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’Imahamasina, no nanantanterahan’ny Fiangonana Manamboara vatsy, tarihan’ny Evenjelisitra Maminirina Rolland Guy, ny fotoam-pivavahana nombana toriteny ary fitsofan-drano ho an’ireo Mpino eo anivon’ny fiangonana hoentina mamakivaky am-pahombiazana sy ampanetre-tena ny taona 2026.
