Ny tontolo andron’ny Sabotsy 31 Janoary dila teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’Imahamasina, no nanantanterahan’ny Fiangonana Manamboara vatsy, tarihan’ny Evenjelisitra Maminirina Rolland Guy, ny fotoam-pivavahana nombana toriteny ary fitsofan-drano ho an’ireo Mpino eo anivon’ny fiangonana hoentina mamakivaky am-pahombiazana sy ampanetre-tena ny taona 2026.
Samy vory lanona teny an-toerana avokoa ireo solontenan’ireo mpino eo anivon’ny Fiangonana Manamboara vatsy mipariaka manerana ny Nosy. Ny andalan-tenin’ny soratra masina notsoahana avy ao amin’i Nomery 22 : 6b “Satria fantatra fa izay tsofinao rano dia voatahy” no nobanjinina tamin’ity fotoana ity. Fotoan-dehibe ho an’ny Fiangonana Manamboara vatsy ny “Andao handray tso-drano noho izy io ahafahana mandray fitahiana sy handraisana ny teny faminaniana nobitsihan’Andriamanitra tamin’i Evenjelisitra Maminirina Rolland Guy izay azo atao vatsy hahombiazana ho amin’ny famakivakiana ny taona 2026, hoy, ny Loholona Rivo Jacques Ranarivony eo anivon’ny Fiangonana Manamboara vatsy.
Nanteriny ihany koa fa mila mijoro amin’ny tena fahamarinana ny Malagasy mba hampirindra ny fiainana ara-batana, fanahy ary saina. Teny filamatra ho an’ity Fiangonana Manamboara vatsy ity rahateo ny hoe : “Atsangano indray ny fahamarinana efa rava” Nisalotra ireo fianjaika sy fitafy malagasy ireo nanatrika ny fotoana fandraisana ny tso-drano sy ny fitahiana ho hanehoana ilay Soatoavina malagasy mifaka amin’ny firaisankina, ny fihavanana izay tsy mifanohitra velively amin’ny voalazan’ny soratra masina.


