Raha tokony hamonjy ny tolom-bahoaka en Ambohijatovo ny mponin’Antananarivo, mba ahazahoana ny rariny mikasika ny jiro sy ny rano, dia notaritin’ny Fokontany hanadio ny tatatra tsentsina.
Omena vola mantsy io fanadiovana io dia nirona tamin’izany ireo sasany izay mbola tsy tonga saina ihany amin’izay tokony hatao amin’ity raharam-pirenena tsy mety intsony ity. Ekena fa ilaina ny vola mba misy arapaka anio, fa maninona ny andro nosafidin’ny Kaominina dia andro itolomana eny Ambohijatovo ?
Fanodikodinana saim-bahoaka io mba tsy handraisan’ireo mponina mahantra ireo ny tolona izay tokony ho tanterahiny. Tsy ny Kaominina akory ny hanala ny olana amin’ny jiro sy ny rano ary ny fahantrana mianjady amin’ny vahoaka.
Noterena fotsiny ireo mponina ireo hanadio ny tanàna nefa ny kaominina tsy hanome rano n’a jiro azy ireo. Tsy mety izany tetika izany fa manandevo ny vahoaka. Homena vola kely ve dia avela ny fitakiana ny zon’olombelona ? Aza avadika ny tolona ry tompon’andraikitra ao amin’ny Fokontany an. Ianareo ireo angaha mahazo rano sy jiro ?

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.