MOZIKA TROPIKALY : Miala any i Désiré

Désiré, vonona hatrany ny hizara ny kanto.

Mpanakanto vao erotrerony, zanaky Mananara avaratra ary lehibe tany Toamasina i Désiré. Nisafidy ny handalina manokana ny fikirakirana ny gadona mihetsika izay voasokajy anatin’ny mozika tropikaly ny tovolahy. Mampiavaka an’i Désiré ny fisian’ny hafatra mafonja sahaza ny isam-batan’olona any anatin’ireo tononkirany, izay hasehony amin’ny alalan’ny endrika hatsikana mba ho mora raisin’ireo mpankafy.

"SEMPAHMAKRI" DISTRIKAN'NY BETROKA : Nahazo filoha vaovao vonona hanohy ireo asa...

Ny filoham-paritry ny Sempahmakri Betroka (ankavia) notoloran'ny filoha nasionaly ny tondrozotra hoenti-miasa.

Taorian’ny fodiamandrin’ny filoha teo aloha Tantely. Ity farany izay filoham-paritry ny “Sendika Mpandraharaha Harena an-kibon’ny tany Malagasy Kristianina” ho an’ny faritra Anosy, Distrikan’ny Betroka dia i Raberiarivelo Andriatiana F no voafidy ho filoha vaovao hitarika ny Sempahmakri any an-toerana. Taorian’ny fanatanterahana ny fifidianana, nandritra, ny fivoriam-be tsy ara-potoana notanterahan’ireo mpikambana tany an-toerana.

PRINTSY ANDRY RODRIGUE : "Azo ovaina ny vintan'i Madagasikara..."

Mitondra ny vintana Alakaosy i Madagasikara. Iray amin’ireo vintana mavesatra ny mitondra azy noho izy mahery koa mety hitarika olana misejo amin’ny sakana marolafy manao randra mitarika izay hahasarotra ny hahazoana ny fahombiazana amin’izay rehetra kasaina hatao raha toa tsy voafehy. Azo atao tsara, hoy, ny PRINTSY Andry Rodrigue ny manova ny vintana Alakaosy izay baben’ i Madagasikara.