Mbola voatana aloha hatreto ny daty hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, izay kasaina hatao ny 27 sy ny 31 marsa ho avy izao.
Araka ny fantatra dia miandry ny avy amin’ny Kaofederasiona Afrikana misahana ny Baolina Kitra (CAF) ny eo anivon’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra, mahakasika ny fanapahan-kevitra rehetra.
Efa nisy ny fanambarana nalefan’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena mikasika indrindra ny lalao iraisam-pirenena sy mikasika ireo mpilalao mivoaka sy miditra mankany ivelany, izay voalaza fa voaray soa aman-tsara.
Araka izany dia miandry ny valinteny avy amin’ny CAF ny Federasiona Malagasy.
Ny any Côte d’Ivoire moa dia tsy mbola nandrenesana fanapahan-kevitra hentitra momba ity fihaonana ity.
Fantatra manko fa mahasarotiny ny firenen-drehetra ny fisian’ny aretina Coronavirus amin’izao fotoana izao.
