Mpandray anjara mavitrika eo amin’ny fiahiana ny maha-olona eto amin’ny firenena, ny Vokovoko mena Malagasy na ny “Croix Rouge Malagasy-CRM”. Izy io araka izany no anisany fikambanana iray misehatra eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Manaporofo izany ireo sehatra maro lafy izay ahitana ny Vokovoko mena Malagasy. Anisan’izany ny vonjy voina amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary sy ny fanoloran-tanana ny mpiray tanindrazana.
Ireo faritra miisa 23 eto Madagasikara ankehitriny dia ahitana ny “CRM” avokoa. Izy ireo izay mitondra tolo-tanana amin’ny mpiara-belona amin’ireo loza voajanahary toy ny tondran-drano sy ny hain-trano ary ireo maro samihafa. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo miely patrana manerana ny Nosy ireo dia efa maherin’ny 10.000 isa hatramin’izao. Mbola tsy ampy anefa io isa io manoloana ny asa an-tsitra-po tanterahan’ny “CRM”. Antony hanaovan’ny “CRM” antso avo amin’ny olom-pirenena rehetra mba hanatevin-daharana azy ireo. Ny alarobia 28 may 2025 no andro fankalazana maneran-tany ny “CRM”. Tsy diso anjara tamin’izany isika teto Madagasikara. Teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina no nanatontosana ny androm-pankalazana.
Teny fanevan’izy ireo tamin’ity fankalazana tamin’ity taona 2025 ity ny hoe: “Miahy ny maha olona”. Izy io araka izany no napetraky ny “CRM” ho fanamby. Hetsika maro samihafa no nanatontosan’ny “CRM” ity andro fankalazana maneran-tany ny “CRM” ity. Fitiliana fahasalamana maimai-poana ny diabeta, tosidra sy ny tiberkilaozy ary ny VIH/SIDA no nanatontosan’ny “CRM” izany. Tamin’ny alalan’ireo tranoheva maro najoro teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina no nampahafantaran’ny “CRM” ny androm-pankalazan’izy ireo izany indrindra fa ny fampahafantarana ny asan’izy ireo, tamin’io fotoana io, araka ny fanazavan’ny tale lefitra voalohan’ny “CRM”, Ally Rivoarimalala.


