« CELIBAT EVENTS » : Sambany hisy eto amintsika !

« Celibat events » Io no anarana nasalotry ny mpikarakara « Alone » ilay takariva maha tsara vahiny sy mahamanina ho ambohipihaonan’ireo mitady silam-panahy, namana, sakaiza. Etsy amin’ny Restaurant Henintsoa By pass Ambohimangakely, no hanatanterahana, azy ity voalohany eto Madagasikara, ny sabotsy 18 may, hanomboka amin’ny, dimy ora hariva.

Handrafitra ny fandaharam-potoana anatin’ny « Celibat events » ny fisian’ny « Mpikosoka kapila » Dj Robs Mc, hanakorisa ireo hiran’ireo mpanakanto malagasy sy vahinin’ny taona 80-90-2000 hipaka hatramin’izao vanimpotoana iainantsika izao mibitsika an-dRafitiavana. Hisy ihany koa ny fandefasana sarimihetsika mirakitra tantaram-pitiavana mahasoandriana (Film romantique) Ireo rehetra ireo ho lafihina sakafo sy zavapisotro sahaza ny rehetra ary arahana « karaoke » ombana dihy. Tanjona amin’ny « Celibat events », araka izany, ny ahafahan’ireo mitady silam-panahy hihaona anaty toerana mendrika sy milamina ary anatin’ny fifanajana. Maro amin’ireo mbola mpitovo ihany koa no sahirana amin’ny fanatanterahana ny fihaonana amin’izay heveriny fa ho silam-panahiny noho ny antony maro. Isorohana ny fihaonana mety hisy hosoka ihany koa no hanatanterahana ny « Celibat events » izay fihaonana mivantana tsy misy elanelana intsony.

Ny hahatanteraka ny tanjona an-tsakany sy andavany sy ny hampirindra ny « Celibat events » no antony hametrahan’ny mpikarakara ny fehin-tanana « Bracelet » misy lokony isan-karazany eo am-pidirana ho an’ireo hanatrika ny « Celibat events » Marihana fa hisy ny loka toy ny fiaraha-misakafo ho an’olondroa, fahana finday, fampiantranoana, sns hatolotra ireo fampiaraham-peo kanto anatin’ny « karaoke » sy ireo olon-droa hita fa mahay mandihy indrindra eny an-tsehatra. Ny « Alone » mpikarakara izay miavaka amin’ny fiketrehana hetsika tsy mbola fahita ho fanomezana fahafaham-po sy ho fanabeazam-boho ary fampivoarana ny tontolon’ny seho eto Dago.

Vous aimerez aussi