
Chef Toky Ramà, anarana tsy zoviana ao anatin’ny habaky ny Haify. Vao teo amin’ny faha- 13 taonany izy dia efa nikirakira ny fandrahoana sakafo. Niompana betsaka tamin’ny sehatry ny fanaovana mofomamy sy ny tontolon’ny fahandroan-tsakafo ary ny fampianarana ny asa fikarohana sy fandalinana ataony mandraka ankehitriny.
Niofana nandritra ny 2 taona, teny anivon’ny INTH Ampefiloha, I Chef Toky Ramà. Izy no mpampiofana zandriny indrindra niantsehatra teo anivon’ny INTH, taorian’ny fahavitan’ny fiofanana narahany. Ny fitiavana ity taranja ity no nanosika azy hiroso amin’ny lalina nandalina ny haify. Sehatrasa azo ivelomana tsara ny Haify, hoy izy raha toa ka mifototra amin’izany ireo mpikirakira azy. Niasa tena hatrany ny lehilahy ary tombony ho azy ny fananana ilay traikefa sy haizatra matanjaka notovoziny tamin’ny alalan’ny fifampikasohana tamin’ireo efa zokiny mpisehatra amin’ny haify. Nohamafisiny hatrany fa ny faharetana, fihafiana ary indrindra ny tohana avy amin’ny fianakaviana. Ireo no tsiambaratelon’ny fahombiazany ka nahatonga azy amin’izao toerana misy azy izao. Marihana fa izy no angady nananana sy vy nahitana ny « Havila school » izay Ivon-toerana lehibe mampiofana eo amin’ny sehatry ny « Haify ». Vina sy ezaka himatesan’ny Chef Toky Ramà mandraka ankehitriny ny hampahafantatra ny haify Malagasy hatrany Dilambato. Hetahetany ihany koa ny mba hanampian’ny Fanjakana ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny haify mba ahafahana mampivelatra azy ity. Sehatrasa afaka miara-dalana sy mifameno amin’ny fambolena sy ny fiompiana rahateo ny haify koa inoana fa tsy ho antso anefitra ny an’ny Chef Toky Ramà.
