Fampitana fampianarana ombana fanabeazana amin’ny alalan’ny fampiasana teny Frantsay sy ny fanazarana miandalana ireo kilonga madinika hizatra ny fiteny anglisy. Manana mpanabe efa manana traikefa ho amin’ny fitaizana ireo zaza madinika manomboka eo amin’ny telovolana ihany koa ny sekoly Mada School etsy amin’ny 67 Ha. Misy foto-drafitrasa sahaza ny taonan’ireo kilonga beazina eny an-toerana ihany koa ao amin’ny sekoly.
Ahitana”Crèche” ho an’ireo zaza madinika telo volana hatramin’ny kilasy CM2 “Cours moyen deuxième année” ao amin’ny sekoly “Mada School” 67 Ha. Misy ny sakafo antoandro sy ny sakafo maivana “goûter” ho an’ireo zaza madinika beazin’ny sekoly “Mada School 67 Ha” Misy ihany koa ny fanaovana fanatanjaharena, art plastique ary ny fampianarana dihy eo anivon’ny sekoly.Tombony ho an’ireo manan- janaka mianatra ao amin’ity sekoly ity ny fahafahan’ireo Ray aman-dreny mametraka tsy amin’ahiahy ny fitaizana sy ny fikoloana ary ny fanaraha-maso ireo Zanany ao amin’ny “Mada School” 67 Ha mandritra ny ora fiasan’izy ireo anatin’ny herinandro. Marihana fa manan-tsafidy malalaka ireo Ray aman-dreny raha te hampisakafo antoandro ireo zanany ao an-tsekoly (Demi pensionnaires) Izy ireo izay eo ambany fanaraha-mason’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly manomboka amin’ny fito ora maraina hatramin’ny dimy ora hariva mandritra ny herinandro (Alatsinainy hatramin’ny Zoma) “Éducation-Civisme-Culture” Ireo no teny filamatra ho an’ny sekoly “Mada School” 67 Ha. Ny Alatsinainy 08 Septambra ho avy izao no fidirana ho an’ny Sekoly”Mada School 67 Ha. Tolotra vaovao amin’ity taom-pianarana ity ny fisian’ny “Bus scolaire” Tsy mandoa saram-pisoratana anarana ireo efa nianatra tao amin’ny sekoly. Ny laharana 033 23 717 04 sy ny 034 07 717 10 ary ny 033 23 717 14 no ahafahana mitafa amin’ny tomponandraikitry ny sekoly.


