Nisokatra ny talata 2 ka hifarana ny alarobia 3 septambra 2025, ny andiany faha-22 amin’ilay hetsika “Salon des Etudes Supérieures” izay karakarain’ny orinasa “Madajeune”, eny amin’ny Palais des Sports Mahamasina. Anisan’ireo sambany no nandray anjara tamin’ity hetsiky ny taona 2025 ity ny Sekoly tsy miankina mampiofana olona ho lasa mpanamory fiaramanidina na ny “Jeunes Dynamiques de l’Aéronautique – JDA” izay manana ny foiben-toerany eny Mamory Ivato. Ny taona 2010 no nijoro ny Sekoly ka nandritra izay 15 taona niorenany izay dia tanora zazalahy sy zazavavy avy amin’ireo faritra maro manerana ny Nosy no efa nandranto fahaizana amam-pahalalana tao aminy. Ny Sekoly izay mitsapa fahaizana sy manatanteraka fifaninanana mialoha ny hidiran’ireo tanora mpianatra hanovo fahalalana ao aminy. Tsy ny rehetra no afaka mianatra amin’ny Lalam-piofanana ho tonga mpanamory fiaramanidina. Misy ireo fepetra sy fitsipika amam-pifehezana takiana amin’izany indrindra fa ny eo amin’ny lafiny fahasalamana mba hahafahana manamory fiaramanidina. Ilaina finiavana sy fitiavana avy amin’ireo mpianatra ihany koa izany indrindra fa ny fahavononan’ireo ray aman-dreny eo amin’ny lafiny ara-bola. Ireo karazana diplaomam-panjakana Bakalorea amin’ny sokajiny avy no handraisana ireo tanora mpianatra te hiofana ho lasa mpanamory fiaramanidina, araka ny fanazavan’ny mpampianatra taranja Anglisy “Aéronautique” sady tompon’andraikitra ao amin’ny “JDA”, Ralaihavomanana Virginie.


