Tato ho ato niverina ary tonga masiaka indray ny fahatapahan-jiro “Delestazy” eto Analamanga sy ny faritra manodidina. Toe-java-misy maneho fa tsy mbola nahitana vahaolana maharitra ity olana mitarika fahavoazana lehibe ho an’ny asa fiharian’ny isam-batan’olona ity. Afaka fotoana fohy dia hiditra anatin’ny vanimpotoanan’ny main-tany isika eto Madagasikara. Ahiana hitombo hatrany, araka izany, ny fotoana iainan-dRamalagasy indray ny delestazy.
Fotoana izao hikaroham-bahaolana maharitra hanatsarana sy hanavaozana ny sehatry ny famokarana angovo eto Madagasikara. Tsy ny fikarohana ilay vahaolana maharitra toy ny fampiasana ireo angovo azo havaozina toy ny herin’ny masoandro sy ny rivotra anefa no ilofosan’ireo mitonona ho tomponandraikitra fa ny fialan-tsiny sy ny fanasongadinana ny antony mahatonga ny delestazy no re ombieny ombieny, hoy, ireo mpanjifa. Mandram-pahoviana no tsy maintsy hiaretan’ny Mpanjifa ny tolotra tsy tomombana sy tsy manaraka ny fenitra omen’ny Orinasa JIro sy RAno Malagasy? Moa ve tsy mba manan-jo hampiasa angovo tsy tapatapaka sy tsy manimba fitaovana fampiasa ao an-tokantrano ny Malagasy? Ny mpanjifa izay efa miezaka mafy ny hanefa anatin’ny fotoana voatondro ny saran’ny vidin-jiro sy rano.
Ho an’Ambohimangakely, efa am-bolana maro no tsy nisy rano nitete intsony ny “robinet”. Izao tokoa ve ny fanatanterahana ilay teny filamatry ny mpitondra ankehitriny hoe: “Madagasikara tsy maintsy mandroso!”? Raha ny zavamisy, lavitry ny afo tanteraka ny kitay hatreto aloha e! Maizin- kitroka ny hoavy ho antsika Malagasy raha mitohy ny tsy fahaizana mamaha olana tahaka ny manjo ny seham-pamokarana angovo izao.
Tsy ny sehatry ny angovo ihany anefa no misedra olana goavana fa saika ny seham-pamokarana rehetra eto Madagasikara no mandrorona sy mikorosy fahana. Samy tompon’andraikitra ny rehetra fa mitana ny laharana voalohany ho amin’ny famahana olana ireo mpitondra fanjakana ankehitriny. Tsy vitan’ny kabary ambony vavahady sy fampanantenana poakaty miampy vahaolana petatoko intsony ny fiainan’ny Malagasy fa mila asa mivaingana mamaly ny filan’ny mponina.


