MPANAKANTO HONORÉ SOUKOUSS : Manohy hatrany ny mozika…

Ny Taona 1998 no efa nikirakira sy nandalina ny taranja mozika i Rakotonjanahary Honoré, mitondra ny solonarana hoe : “Honoré Soukouss” Azo ambara ho tanteraka ara-bakiteny tamin’ity Mpanakanto manavia manavanana eo amin’ny lafiny fihiranazfamoronana, fitendrena zavamaneno ary fandrindrana ity ilay hoe : Tarana- boanjo foto- boanemba. Ireo loharano nipoiran’i Honoré Soukouss tokoa mantsy dia Mpiangaly ny Hiragasy.

Anisany nanampy betsaka an’i Honoré Soukouss eo amin’ny fampianarana hatrany ny lentan’ny mozika lalaoviny ihany koa ny naha mpikambana azy teo anivon’ny Antoko mpihira. Mirona betsaka amin’ny fiangaliana sy ny famolahana ny bankira mihetsika”Mozika tropikaly” ny Tarika Honoré Soukouss izay ahitana Olombelona Miasa telo ambinifolo mandrafitra azy ankehitriny. Ampahany amin’ireo tsanganasa nahafantaran’ny maro ny Tarika ilay vazo “Tsy misy miala eo Rasta” “Sao dia mba tsy Ianao ?”, ” Fitiavana no mampiray”, ” Randrana maro loko no mahatsara Anao” Ity farany izay maneho ny maha kanto ny taovolo sy ny Ampela Gasy, Ho hatevenina ny fitetezam-paritra sy ny fanajariana sanganasa vaovao amin’ity Taona ity, hoy i Rakotonjanahary Honoré.

Marihana fa ireo zanany miandahy miambavy ankehitriny no miara- mandrafitra ny Tarika “Honoré Soukouss” Ireo taranany izay efa hita soritra ny fitiavana sy ny talenta ananany eo amin’ny filalaovana ny mozika. Fehiny, manohy hatrany ny mozika ny fianakaviana Rakotonjanahary Honoré ary mihazo ny fahombiazana eo ampamakivakiana ny lalan-tsarotry ny taranja Mozika.

Vous aimerez aussi