Teratany Malagasy an’arivony no tavela sy mbola mialokaloka any ivelany amin’izao, hoy ny tatitra avy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy, ny sabotsy lasa teo. Voalaza fa efa te-hamonjy fodiana eto an-tanindrazana avokoa ny ankamaroan’izy ireo, nefa noho ny valan’aretina covid-19 mahazo ny firenena maro, indrindra fa manerana izao tontolo izao, dia tsy afaka mody eto an-tanindrazana izy ireo noho izay aretina izay. Araka ny fanazavana voaray dia miaina amin’ny fahasahiranana tanteraka ireo teratany Malagasy tavela any ivelany ireo. Noho izany, dia efa mandinika ny fampodiana azy ireto eto an-tanindrazana ny fitondrana Malagasy, hoy hatrany io tatitra io, saingy, misy ny fepetra tsy maintsy arahina noho izay antony ara-pahasalamana izay, indrindra fa ny fanajana ireo fepetra izay napetraky ny firenena misy azy ireo tsirairay avy. Araka io tatitra io hatrany dia tsy midika akory, fa hisokatra amin’ireo firenena misy ireo teratany Malagasy ireo ny sidina na ny firenen-kafa, fa mba ho fiarovana ny ain’ny malagasy sy ny fahasalaman’izy ireo no anton’izany, hoy hatrany ity tatitra ity.
