Raha ny zava-misy maneran-tany, dia tsy mbola misy fanafody sy fanefitra na milaza aza ny mpitondra eto amintsika fa efa manana izany. Tsy manaraka ny fenitra ara-tsiantifika, ary mila fankatoavana avy amin’ny OMS ny fanaovana andrana amin’ny alalan’ny tsindrona, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nambarany, fa ny isa miakatra hatrany hatreto. Tsy atao andrakandrana no betsaka, fa aina no tsaboina, hoy izy. Misy ny “Déclaration d’Helsinki” izay tsy maintsy ifanarahana amin’ny marary, hoy ny fanazavany. Eto amintsika dia olona efa voan’ny covid-19 izao, dia hoe maty nananton-tena na nararin’ny diabeta, hoy hatrany ity filoha ity. Nanao ahoana ny tohin’ny fanadihadiana ?, hoy ny fanontaniana napetrak’i Marc Ravalomanana.


