Ny alin’ny sabotsy 13 aprily (mifanandrify amin’ny faha-14 ny volana Habib), tany Antsirabe, no nanamarika ny Pesarh « Paska » ireo mpino eo anivon’ny Fiangonana « Hebreo notsrym », tarihan’i Shalar Andriamady Rija. Nomarihan’ity farany fa ny Paska hebreo dia fahatsiarovana ny nanafahana ny zanak’Israely teo ambany fanandevozan’i Farao, tany Ejypta ary fahatsiarovana ny nahafatesan’i Yeshoah. Amin’ny alina no anamarihan’ny Fiangonana « hebreo notsrym » ny Pesarh, hoy hatrany i Shalar Andriamady ho fanatanterahana izay voalazan’ny baiboly. (Alina no nitandreman’i Adonaï hanafahana ny Zanak’israely rehetra) Ny fankalazana ny Pesarh ho an’ny Hebreo notsrym izay arahan’ny fetin’ny « fito andron’ny mofo tsy misy masirasira (mofo tsy misy lalivay) io ilay antsoin’ny Hebreo hoe : « rhag matsôt ».
Ny alahady 14 aprily izay nankalazan’ny Fiangonana Hebreo notsrym ny nandresen’i Yeshoah ny fahafatesana ka nitsanganany tamin’ny maty, araka izany, no nanombohana ny fetin’ny « mofo tsy misy lalivay » ary koa nanatanterahana ny « Omer reshyt » na ny fanandratana ny « Santa-bary » Ahevahevan’i Shalar eo anatrehan’i Adonaï ny salohim-bary. Misy ny fitsofan-drano sy fitondrana am-bavaka ireo santabokatra mialoha ny hihinanana azy mba ho sakafo voatsodrano hitondra fitahiana sy fahasoavana no hohanina. Maro amin’ny Malagasy ankehitriny no tsy manatanteraka intsony ny « Santa-bary » Nomarihan’i Shalar Andriamady Rija anefa fa ilaina ny manatanteraka ny santa-bary mba hisorohana ny mety hisian’ny « mosary ». Nahitsy ny fanehoan-kevitra nentiny fa « mangalam-pihinana » ny Malagasy tsy manao santa-bary noho izy ireo mihinana sakafo tsy voatsodrano. Hitohy ny alahady 21 aprily, hanomboka amin’ny sivy ora maraina, eny Ankasina, ny famelabelarana arahana ady hevitra hiompana amin’ny lohahevitra manodidina ny hoe : « Paska faharoa » iarahana amin’ny Shalar Andriamady Rija. Hisy ihany koa any Antsirabe amin’io andro io.
