Tandindomin-doza noho ity valanaretina Coronavirus ity ny firenena ka andao hiara-hiombom-bavaka isika rehetra.
Fanentanana sy fanasana ataon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) ho an’ny rehetra tsy an-kanavaka izany.
Noho izany dia eny amin’ny Katedraly Anglikana Ambohimanoro no hatao ny fitondrana am-bavaka ny firenena, ny zomà 20 marsa 2020 izao, manomboka amin’ny 12 ora sy sasany ka hatramin’ny 2 ora tolakandro, ho an’ny eto Antananarivo.
Tsy ilaina intsony ny efitrefitra satria Malagasy iray isika ka andao hiombom-bavaka amin’Andriamanitra.
Antsoina tahaka izany koa ny FFKM any amin’ny Faritany mba hanao fotoam-pivavahana, ny sabotsy na ny alahady. Toy izany koa ny eny amin’ny Firaisana sy ny Fokontany mba hanao vondrom-bavaka.
Ho trotroina am-bavaka ity firenena ity satria betsaka ny tahotra sy ny horohoro, kanefa amin’ny maha-Fiangonana antsika dia tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika fa Fanahy mahery ka dia hifampahery isika ary hitondra am-bavaka ity Firenena Malagasy ity.


