FITAKIANA IREO NOSY MANODIDINA : Ela loatra ka mampieritreritra !

Noheverin’ny Malagasy, indrindra ireo misikiponitra amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina fa hafana ny dinika amin’ny fitakiana ireo Nosintsika, nandritra iny fandalovan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny frantsay, Jean Yves Le Drian teto iny.

Diso fanantenana anefa ny rehetra satria tsy nasian-dresaka ny momba izany, satria toa fampitoniana tamin’ny fanomezam-bola 240 tapitrisa euros no nataony.

Mankasitraka ny Minisitra malagasy

Nanao fanambarana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, ny Dr Tehindrazanarivelo  Djacoba,  fa  tsy manakana velively ny fifampiraharahana momba ireo Nosy ireo ny fandalovan’iny Minisitra frantsay iny teto.

Dingana mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena no hatao, izay tanterahin’ireo vaomiera manokana misahana ny momba ireo Nosy malagasy ireo, hoy izy, ka hitakiana ny fiandrianam-pirenena feno.

Mba hisorohona ny ahiahy sy ny tsi-fitovian-kevitra samihafa dia nilaza hatrany ny Minisitra malagasy  fa tsy manelingelina velively na sakana amin’ireo dingana tanterahina momba ny dinika miaraka amin’i La Frantsa iny fandalovan’ny Minisitra vahiny iny.

Mainka aza, hoy izy, manamafy indray ny toeran’i Madagasikara sy ny heviny momba izany iny.

Nankasitrahana

Nankasitrahan’ny Minisitra  Tehindrazanarivelo  Djacoba, araka izany, ireny fihetsika ireny, satria hisy ny  fanatanterahana ireo tetikasa voasoritra ao amin’ny politikam-panjakana ankapobeny sy ireo drafitra entina mampivoatra an’i Madagasikara, ka nanomezany vola 240 tapitrisa euros.

Ilaina ny fandraisana anjaran’ireo firenena namana sy mpiara-miombon’antoka amin’ny firenena malagasy, hoy hatrany izy, ka anisan’izany i Frantsa izay nanamafy ny fifandraisana efa nisy teo amin’ny roa tonta sy ny fanohanany ireo ezaka fampandrosoana rehetra tian’ny firenena malagasy hatao.

Vinan’ny vahoaka ny Nosy manodidina

Heverina ho vinan’ny vahoaka malagasy manontolo koa ny hamerenana aminy ireo Nosy manodidina ireo. Mety ho rahoviana àry no hotanterahin’i Frantsa izany ?

Vous aimerez aussi