FOARABEN’NY BETSIZARAINA : Fanoitra ho amin’ny fizakan-tena ara-toe-karena

“Ho amin’ny fizakan-tena ara-toe-karena”. Io no lohahevitra nobanjinin’ny avy eo anivon’ny Fokontany Betsizaraina, iray amin’ireo Fokontany miisa valo ambinifolo mandrafitra ny Kaominina Ambohimangakely, distrikan’avaradrano, faritra Analamanga. Ity Fokontany ity izay nanatanteraka ny Foaran’ny Fambolena, Fiompiana, asa-tanana ary angovo azo havaozina, tao amin’ny fokontany Betsizaraina ny 29 Hatramin’ny 31 Aogositra dila teo.

Tanjon’ny fanatanterahana azy ity ny hahafahana mamantatra ifotony sy manetsika ireo seha-pihariana fototry ny fampandrosoana toy ny fambolena sy ny fiompiana, asa tanana. Noezahana nojerena ihany koa ireo olana sy ny vahaolana mifanandrify amin’izany eo amin’ireo seham-pamokarana mifototra amin’ny fambolena, fiompiana ary ny habaky ny asa tanana. Nisy araka izany ny fampiofanana ireo Mpiompy sy Mpamboly ary ireo Mpanao asa tanana nandritra ny hateloana nanatanterahana ny Foara. Trano heva efatra ambiny roampolo no tazana teny an-toerana. Tsapa ho nahaliana ireo mpitsidika ny fitsidihana azy ireo.

Nomarihan’ny Sefom-ookontanin’ny Betsizaraina Randriatsalama Falimanana fa hoentina hitety ireo Zanam-paritra mandrafitra ny fokontany Betsizaraina ny Foara. Ny renivohitry faritra dia i Betsizaraina no nanombohana izany tamin’ity taona ity. Fahombiazana ny andiany voalohany ary azo inoana fa hitondra fanoitra ho amin’ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny asa tanana izay tsy afa misaraka ihany koa amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ny tsenabe tahaka ity notanterahana teny Betsizaraina ity.

Vous aimerez aussi