Fiaran’olontsotra no mbola tazana mitatitra olona antsokosoko mihazo ny faritra atsinanana eny amin’ny gare routière Ampasampito. Manoloana izany, velon-taraina ireo kaoperativa ara-dalàna miasa amin’ireo trano heva eny Ampasampito. « Efa ho roa volana izao izahay no tsy niasa intsony, hoy ny solontenan’izy ireo, saingy hatramin’izao tsy nisy izay mba fanampiana avy amin’ny fanjakana ». Nisy ny fanangonana ny anaran’ireo mpitatitra mivondrona anatin’ireo kaoperativa saingy hatreto tsy re be tsy re kely ny niafarany. Talanjona ihany koa ireo mpikambana amin’ny kaoperativa mpitatitra olona etsy Ampasampito fa tazanin’ireo tomponandraikitra fotsiny ny fisian’ireo olon-tsotra mampiasa ny fiarany hanaovana fitaterana mihazo ny faritra atsinanana toy ny mankany Moramanga, Mahanoro ary Vatomandry. Iaraha-mahalala anefa fa voarara tanteraka ny fivezivezen’ny mponina ho an’Analamanga sy ny faritra atsinanana ho fisorohana ny fihanaky ny covid- 19.
Tsy maty manota ?
« Ahiana ny fisian’ny « Olobe » manampahefana miaro azy ireo amin’ny fanaovana asa tsy ara-dalàna toy izao matoa tsy misy ny fandraisana fepetra tahaka ny fanasaziana manoloana izany », hoy hatrany ny solontenan’ireo mpitatitra mivondrona ao anatin’ny kaoperativa mampiasa ny zotra mampitohy ny renivohitra amin’ny ilany atsinanana. Dradraina mandrakariva eto Madagasikara ny hoe tany tan-dalàna saingy raha ny fahitana ny zavamisy toy ny eny Ampasampito ity dia toa mijanona ho kabary ambony vavahady ihany ny fampiharana izany. Hanjaka hatrany ary hahazo vahana ihany koa ny tsy maty manota raha mbola misy ny mihevitra azy ho mitoetra ambonin’ny lalàna.
